Fanehoana an-tsary ny fandraisan’i SMMC anjara tamin’ny FANOKAFANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2022, izay natao tany Mahanoro ny Alarobia 19 Janoary 2022.
Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan’i Repoblikan’i Madagasikara moa, dia nanasa ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka mba hanatanteraka ny adidy amin’ny fambolenkazo, ka tsy latsa-danja tamin’izany ny Orinasa SMMC.
Ny lohahevitra amin’izany dia “FAMBOLEN-KAZO FANARENANA LOHARANO, ANTOKY NY FIVELOMAN’NY MPONINA”.
” Izay mamboly hazo manavotra firenena, izay mandoro ala mandoro Tanindrazana.” 🌳