Fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teto amin’ny Seranantsambon’i Toamasina omaly Talata 01 Febroary 2022, noho ny fahatongavan’ny Sambo PANCARAN VICTORY izay nitondra ny Vary Tsinjo milanja 21000 Taonina. Vary izay hamidy manerana ny Nosy amin’ny vidiny mora 1000 Ariary ny kilao.

Raha ny antontan’isa voaray tamin’ny ora nandalovan’ny Filoha dia nahatratra 5640 Taonina ny vary efa tafidina avy eny ambony sambo, ary 2319 Taonina kosa ny vary efa tafavoaka ka hihazo ireo faritra maro manerana ny Nosy. Raha amin’ny fotoana ara-dalàna dia mahavita mampidina 2400 Taonina isan’andro ny SMMC. Fa raha sanatria ka misy ny fiovàn’ny toetrandro amin’izao ankatoky ny fandalovan’ny rivodoza izao dia mihena izany fahombiazan’ny mpiasa izany satria tsy maintsy hidiana ny “toerana fitahirizan’ny sambo” (cale).
Marihina moa fa mbola “cale” telo ihany aloha no nosokafana izao noho ny fahatahorana ny fivadihan’ny toetrandro tampoka.

Efa tonga eto amin’ny Seranantsambo ihany koa ny sambo AFRIKAN KITE izay mitondra Simenitra milanja 12000 Taonina. Simenitra izay nafaran’ny Fanjakana Malagasy ho aparitaka manerana ny Nosy.

ALL TEXTS & IMAGES ARE COPYRIGHTED BY THE SMMC COMPANY. FOR ANY INQUIRIES PLEASE WRITE TO COPYRIGHT@SMMC-COMPANY.COM

Share This Information