Toy ny fanao isan-taona, dia tontosa soamantsara androany 22 desambra 2023, ny fanomezana fankasitrahana ireo zanakin\’ny mpiasa, afaka tamin\’ny fanadinana ara-panjakana nandritra ny taom-pianarana 2022-2023. ✨
Nahatratra 32 ireo afaka CEPE, 38 ireo afaka BEPC, 25 ireo afaka BACCALAUREAT \”mention PASSABLE\” ary 7 kosa ireo afaka BACCALAUREAT \”mention ASSEZ-BIEN sy mention BIEN\”.
Fisaorana kosa no natolora ireo mpiasa 21 nandeha nisotro ronono, tamin\’ity taona 2023 ity, ka nahavita be teto amin\’ny Orinasa SMMC. 🙏
Teny fiharabana, fisaorana ary firariantsoa ho azy ireo, ary koa ny mba hanaovan\’izy ireo fety krismasy sambatra sy taom-baovao mahafinaritra, no natolotr\’ireo Tale isan-tsokajiny izay nandray fitenenana.
Mankasitraka Tompoko àry mirary antsika sahady hahatratra ny Krismasy sambatra sy Taom-baovao mahafinaritra. 🥰