Make a call: +261 (0)2 05 33 12 63

BLOG

🌸 VEHIVAVY MIARINA SY MIRAY HINA, FIRENENA MANDROSO 🌸

Notanterahina teto amin’ny Faritra Atsinanana, Renivohitr’i Toamasina, ny ivon’ny Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, izay ankalazaina isaky ny 08 marsa. Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika rehetra izay natao ny Fikambanam-behivavy eto amin’ny Orinasa SMMC (APF SMMC).

📍 Natomboka tamin’ny « fotoam-pivavahana iraisam-pinoana », izay natao tao amin’ny EKAR PAROASY NOTRE DAME DE LOURDES, moa izany ny Alarobia 06 marsa 2024. Firaisam-pinoana izay notarihin’ireo mpitarika ny FFKM eto Toamasina.

Notohizana tamin’ny hetsika « fambolen-kazo sy fambolena voninkazo an-tanàn-dehibe » 🌱 , izay notontosain’ireo Fikambanam-behivavy maro manerana ny Nosy, manaraka ny sisin’ny Hopitaly be Analankininina. Hetsika izay notarihin’ny Ministry ny tontolo iainana sy Fampandrosoana lovain-jafy, sy ny Ministry ny Mponina sy ny Firaisan-kina ary ny Ministry ny Serasera sy ny Kolotsaina.

🔰 Ny Zoma 08 marsa, izay tena fankalazana, dia natomboka tamin’ny « carnaval » ny hetsika. Notohizana tamin’ny filaharana manoloana ny Vadin’ny Filoham-pirenena. Ary nofaranana tamin’ny fiaraha-milanona sy fiaraha-misakafo kosa ny an’ny Fikambanam-behivavin’ny Orinasa SMMC (Association du Personnel Féminin de la SMMC), izay nanasana ny Tale Jeneraly sy ireo Tale mpiara-miasa aminy rehetra. Satria moa anjaran’i APF SMMC ihany koa no nandray an-tànana ireo Fikambanam-behivavy avy any SAVA, dia nasaina manokana, mba hiara-hankalaza izany fety izany izy ireo.

Henin-kaja, henim-boninahitra tokoa ny fety, satria dia tonga nanotrona ireo vehivavin’i SMMC, ny Tale Jeneraly misahana ny Fitaterana (Ramatoa RAKOTOMALALA Dina Hariniry), ny Tale Jeneraly misahana ny Fitaterana an-tanety (Ramatoa RATOVOHERY Mirambololona), ny Tale Jeneraly misahana ny Foibe Famantarana ny Toetr’andro (Ramatoa RAHOLIJAO Nirivololona), sy ireo mpiara-dia amin’izy ireo.

With decades of experience and continuous improvement, we are the premier stevedoring, warehousing, and distribution company in Madagascar.

We are a proud
member of aivp

OPENING HOURS

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 13:00
Sunday Closed

CONTACT US

5, Rue du Commerce Ampasimazava-Est, Toamasina

+261 (0)2 05 33 12 63

info@smmc-company.com

Scroll to Top